Politique

Veliranon’ny mpanohitra Voasonia tao Toamasina omaly


  • Zoma 07 Novambra 2014

Toamasina no faritany voalohany nitondran’ireo mpitarika ny vondron’ny mpanohitra misy an-dRtoa Lalatiana Ravololomanana ilay “Veliranon’ny mpanohitra”, na efa nampahafantarina tany Toliara sy Fianarantsoa ihany izany teo aloha

Taorian’ny fanazavana ny antony fijoroan’ny vondron’ny mpanohitra ivelan’ny parlemanta izay afaka mihazona ny filoha lefitra faha-7 araka ny lalàna, dia niroso tamin’ny fampahalalana ilay “veliranon’ny mpanohitra” Rtoa Lalatiana Ravololomanana, ka niroso tamin’ny fanaovana sonia izany ireo olon-tsotra sy fikambanana ara-politika nanoina ny fanasana. Talohan’izao fanangonan-tsonia tao Toamasina izao anefa dia efa maherin’ny 10.000 ireo sonia voaangona voarakitra amin’ny fanohanana ity “Veliranon’ny mpanohitra” ity, izay nambaran’ireo mpitarika tonga tao Toamasina fa fanoherana hitondra fanovana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara sy ny fametrahana amin’ny tena izy ny fiandrianam-pirenena. “Fantatray fa sarotra ny lalana nosoritana izao, saingy ny Malagasy tonga saina sy miara-miaro ny fiandrianam-pireneny ary vonona amin’ny fanovana amin’ny fanaovana politika marina, no handrosoantsika haingana”, hoy hatrany ireto vovonan’ny mpanohitra ireto tao Toamasina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT