Manambara ny fahavononany hanohana ny filatsahan’i Prezida Marc Ravalomanana hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny 7 novambra izao ny Fikambanam-behivavy TIM sy ny renim-pianakaviana ao amin’ny Boriborintanin’i Mahavatse-I Toliara.
Tamin’ny fitsidihana nataon’Atoa Sazalahy Tsianihy REG-TIM Atsimo Andrefana sy Atoa Mosa DIS-TIM Toliara-I, ary Atoa Celyn, mpandrindra ny JEUNE-TIM ao Toliara tany an-toerana ny zoma teo no nanambaran’izy ireo izany. Faly dia faly anefa izy ireo rehefa nilazan’Atoa Sazalahy Tsianihy fa hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena tokoa ny Prezida Marc Ravalomanana amin’io 07 novambra 2018 ho avy io. Toky no homenay, hoy ny Fikambanam-behivavy sy ny renim-pianakaviana fa hanentana ny vehivavy rehetra ianjadian’ny fangirifiriana toa anay izahay mba hiara-dia aminay hanohana ny Prezida Marc Ravalomanana hiverenan’ny filaminana mba hampilamin-tsaina anay kibo nifonosana ary manentana sy manao antso avo ho an’ny renim-pianakaviana sy ny vehivavy rehetra manerana ny Nosy mba hanohana ny Prezida Marc Ravalomanana ihany koa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.