Politique

Vehivavy TIM Ambohimanarina Nampihatra ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa


  • Talata 10 Martsa 2015

Nampihatra ara-bakiteny ilay teny filamatra hoe «Miasa miaraka no fahombiazana» ny vehivavy Tiako I Madagasikara ao amin’ny boriborintany faha-VI notarihan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy ao

 

Ambohimanarina Rasoanoromalala Horace ho fanamarihan’izy ireo ny andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny vehivavy manerantany ny alahady 8 martsa 2015 teo. Samy nanao izay tratry ny heriny izy ireo ka tao ireo nividy hazo «bois rond» sy hazo fisaka handrafetana tetezana kely hanampiana ireo toeram-ponenana dibo-drano ao amin’ny fokontanin’Amorona. Tao koa ireo nameno kitapo tamin’ny tany na fasika hanakanana ny ranon-tatatra tsy hihoatra ny fonenan’ireo mponina ao Antsahavao Anosivavaka. Tsy tongatonga ho azy ity fanomezan-tanana avy amin’ny vehivavy TIM Ambohimanarina ity fa nisy ny fijerena ifotony ny zava-misy. Niezaka nanontany ireo filana tadiavin’ireo traboina mantsy ny ekipan-dramatoa depiote nialoha ny fandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Hanohy hatrany io fiaraha-miasa io ny vehivavy TIM boriboritany faha-VI ho tombontsoan’ny ankohonana, ny fiarahamonina ary ny firenena, hoy ny fanampim-panazavan’izy ireo.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT