Politique

VAVAKY NY MPANONGAM-PANJAKANA


  • Talata 12 Aogositra 2014

Andriamanitra o ! tsy miafina aminao ny fahavoazana, Raha ingahy Ravalomanana no ho tody an-tanindrazana, Fa ho very fihinanana izahay ` zay notendrena Mba hitarika ny dinika fampihavanam-pirenena.

Koa raha` sitrakao ry Ray , ataovy izay tsy hiverenany.

Aoka ho any andafy ihany no ho toerana fonenany.

Fa ho loza no hanjo anay mpanongam-panjakana,

Raha hipongatra ny marina nahazoanay  fahefana.



Andriamanitra o ! miangavy , mitalaho an-tanan-droa ,

Satria tsy tantinay mihitsy ny ho very tombontsoa.

Koa atoroy anay anio  ny tetika mba hanakanana

Tsy hanatrehany ny dinika hikendrena fampihavanana.



`Zay no vavakay mangina ka ekeo ry Ray mahery ,

Fa tsy sitrakay raha toa ka ny kapoakanay ho very.

Manantena  Anao ` zahay , ry Tompo feno fahendrena:

Fa Ravalo tsy miverina , ` zay ny anay no famonjena.

     
SEDERA  RAVALISON       (10 – 8 – 14)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT