Politique

Vaovao Benjamin Tsy mahay maka lesona mihitsy ny Malagasy


  • Talata 24 Martsa 2015

Nitombina foana ilay fomba fitenenana frantsay manao hoe “rehefa tiana hovonoina ny alika dia lazaina fa voan’ny haromotana” teto Madagasikara hatramin’izay Repoblika 4 nifandimby izay, hoy ny mpanao politika Vaovao

 

 Benjamin sekretera nasionaly administratifan’ny antoko Arema. Tsy sanatria mampitovy na mampitaha an’ireo mpitondra antsika nifandimby ho tahaka ny biby, hoy izy fa ny zava-nisy nitranga teo amin’ny raharaham-pirenena malagasy no hanipihana an’io fomba fiteny io. Rehefa tiana nesorina tamin’ny toerany ireo mpitondra nifandimby teto amintsika dia samy namoronana izao mpamari-toetra rehetra miiba teo amin’ny fitantanany ny firenena izao avokoa. Tamin’ny andron’i dadabe Tsiranana izao dia nafatratra taminy avokoa izao vokabolarin’ny tsy fahombiazana izao nentina nanonganana azy ary dia iny efa niaraha-nahalala iny ny nanjo ny fitondrana notarihany tamin’ny taona 1972. Ny tsak…tsak zato arivo moa no nampiongana ny fitondrana Pisodia tamin’izany. Taoriana kelin’izay dia efa nanambara tamin’ny vahoaka fa hanenina amin’izao fihetsika (fanonganana azy izao) ianareo. Tahaka izany ihany koa no nahazo ny Amiraly Didier Ratsiraka tamin’ny taona 1991 sy ny nahazo an’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny 2009, dia niverimberina teo foana ny krizy teto amintsika mandraka ankehitriny. Toa tsy mahay maka lesona tamin’ireo zava-niseho teo aloha ireo mihitsy isika Malagasy ka izao mbola miverimberina mihodinkodina anaty fahasahiranana lava izao na dia mitady fandrosoana fatratra aza, hoy ity mpanao politika raindahiny ity.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT