Nankasitraka ny fizotran'ny fifidianana tamin'ny 7 novambra lasa teo ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indianina (COI).
Naneho fisaorana tamin'ny fihetsiky ny mpifidy nanefa ny adidiny ihany koa izy, satria tao anatin’ny fitoniana sy fanarahan-dalàna no nanatanterahana an’iny fihodinana voalohany iny. Raha ny tetiandrom-pifidianana dia ny 19 desambra ho avy izao ny fanatanterahana ny fihodinana faharoa, izay hifanandrinan-dRavalomanana sy Rajoelina. Araka izany, miantso ireo kandidà roa hifaninana sy ireo mpisehatra ara-politika isan-tsokajiny ny COI mba hisian'ny fitoniana amin'ny fihodinana faharoa, ka mba hijanona ho ao anaty filaminana sy fanajana ny tomponandraikitra rehetra amin'ny fifidianana. Manao antso avo amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena ihany koa ny COI mba handray ny andraikiny feno amin'ny fanarahana ny demokrasia, ka hametraka fifanarahana amin'ireo mpifaninana roa tonta, hisian'ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian'ny fifidianana, hoy hatrany ny fanambarana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.