Mbola mafana ny adihevitra mikasika ny fifidianana ho filoham-pirenena tontosa ny alarobia 7 novambra teo ary manomboka mivaly tsikelikely.
Naneho ny heviny mikasika ny fahitany izany ny mpandinika raharaham-pirenena, Faneva Raholdina. Talohan’ny fifidianana dia tompon’andraikitra ny mpitondra fa ankehitriny kosa dia isika rehetra, hoy izy. Ny antony dia satria iny fifidianana iny no miantoka ny hoavintsika amin’ny 5 taona manaraka. Raha nahay nifidy isika dia misy antoka kokoa fa ho tsara ny hoavy. Raha tsy nahay moa dia mifanohitra amin’izay. Na izany aza, tsy nety ny fitantanan’ny CENI ny fifidianana. Maro ny fitavozavozana tsikaritra. Maro ireo tsy tafiditra tao anaty lisitraka tsy afaka nifidy. Ny tsy fahafahan’ny olona mifidy anefa dia fanimbana ny zony. Ny migadra aza efa tsy fidiny. Mampihena ny hevitra hanatsarana ny fiainam-pirenena koa iny vato norarana iny. Enga anie mba ho azo antoka ny CENI. Soso-kevitr’ity mpandinika ity ho fanatsarana amin’ny hoavy ny famerenana ny fisahanana ny fikarakarana fifidianana any amin’ny minisiteran’ny atitany. Tamin’ny 2002, hoy izy, dia vokatra avy amin’ny minisiteran’ny atitany no nahalany an-dRavalomanana na dia Didier Ratsiraka aza no filoham-pirenena. Tsy nandaniana volabe tahaka ny CENI ny atitany kanefa haingana ny vokatra. Ity anefa sady mandany vola no mbola mampihisatra vokatra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.