Taorian’ny fivoriambe voalohany notanterahan’ireo mpikambana eo anivon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI amin’ny endriny vaovao izay
itambaran’ireo mpikambana miisa 7 efa teo sy ny solontenan’ireo kandida 36 natao ny alakamisy teo dia mitohy mihetsiketsika hatrany ny CENI. Mitohy ny fampiofanana isan-karazany toy izay niarahana tamin’ireo fiarahamonim-pirenena tamin’ny herinandro tetsy amin’ny Motel Anosy. Araka ny efa nohazavaina moa dia efa mipariaka manerana ny faritra koa ny fanabeazana ara-pifidianana. Omaly koa dia mbola nisy tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo ny tapany maraina. Ny tapany hariva dia notanterahana tetsy amin’ny biraon’ny CENI Nanisana ny fivoriana momba ny fanaraha-maso ireo lisi-pifidianana hotontosain’ny vondron-tany miteny frantsay na OIF. Ny famatsiana ilay kitapom-bola hiatrehana ny fifidianana hanatontosana ny tetikasa Pacem koa mitohivakana. Nandalo ny vondrona eoropeanina, ny tetikasa japoney, efa teo koa ry zareo koreanina sy ny hafa marobe. Vao nanasonia ny anjarany omaly koa moa ny alemanina. Ankoatr’ireo dia marihina hatrany fa efa nanokana 40 miliara ariary ho an’izany ihany koa ny fitondrana Malagasy, araka ny voalaza ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana farany teo. Tsy voafaritra mazava hatramin’izao kosa ny fitsinjarana ny fampiasana azy fa dia ampiononina amin’ny hoe afaka mitsidika ny tranonkala ireo olompirenena na dia efa hiaraha-mahalala aza fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny antsasa-manilan’ny Malagasy ary mazava ho azy fa mbola an-kavitsiana ireo afaka hikirakira teknolojia vaovao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.