Politique

Vao nandalo Ravalomanana Nangorom-potsy i Maevatanana


  • Zoma 07 Septambra 2018

Ny tanànan’i Maevatanana no nandalovan’ny kandida Marc Ravalomanana omaly tolakandro, ka fitsenana makotrokotroka no nandraisan’ny vahoaka azy.

 

 

 Fotoan-dehibe ho azy sy ny mpomba azy anio 7 septambra any Mahajanga, ka tsy afaka nandalo tanàna misy havana tao Maevatanana fa tsy maintsy nitafa tamin’ny vahoaka sy ireo manam-pahefana sasantsany sendra azy tao an-toerana, notarihin’ny depiote Rasoarimalala Georgette na “Zôry Kely” no ahalalan’ny maro azy. Nanazava ny antony hirotsahany hanavotra ny firenena i Marc Ravalomanana. Nambarany fa laharampahamehana ny hisakafoanan’ny olona satria rehefa noana ny vahoaka, dia lasa manaonao foana ary mitombo ny asa ratsy. Eo ihany koa ny fampitaovana ny mpitandro filaminana satria isan’ny hanjakan’ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritra Betsiboka iny, ary isan’ny tena nitarainan’ny vahoaka izany. Sioka tokana dia vory maro tao amin’ny kianja “La Place” ny vahoaka tao Maevatanana. Tsy tongatonga ho azy ny nahazoany laharana voalohany tamin’ny fahaiza-mitarika na ny “Political Leadership” taty Afrika, hoy ny mponina tao Maevatanana, ka izy no ilaina hanavotra ity firenena ity amin’ny maha mpitarika mahay sy tena mahavita azy. Mila olona havanana amin’ny fanarenana, fa tsy olona mpandrodana sy mpandoro na koa mpanao balarora ny firenena. Raha resaka vola aman-karena no resahina, dia miteny ho azy ny filaharana navoakan’ny gazety boky amerikanina Forbes, fa olona fahaefatra manan-karena indrindra eto Madagasikara i Marc Ravalomanana na ireny aza no natao azy ny taona 2009, ka vahiny roa sy Malagasy iray ny eo alohany. Tsy ireharehany izany fa any amin’ny asa fampandrosoana sy fivoaran’ny fari-piainana ny azy no valimbabena lehibe indrindra avy aminy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT