Politique

Valim-pifidianana ofisialy anio Handamina sa hanakorontana ?


  • Talata 08 Janoary 2019

Andro iray hanan-tantara ho an’ny firenena sy hamaritra ny hoavin’i Madagasikara anio talata 8 janoary 2018, fotoana hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny valiny ofisialy sy ny didim-pitsarana mikasika ny fifanolanana isan-karazany tamin’ny fifidianana filoha natao ny 19 desambra lasa teo.

 

 

 

 Nambara tany am-boalohany fa hadio sy hangarahara. Maro anefa ny lesoka sy ny hosoka ary ny hala-bato. Nahatratra 305 ny isan’ireo fitoriana ka ny 209 amin’ireo dia avy amin’ny kandida Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy, izay ny 62 dia fitoriana natao mialoha ny fivoahan’ny vokatra vonjimaika ary ny 147 kosa taorian’izay. Nialoha ny hanatanterahana ny fifidianana dia efa nilaza mazava ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ny adihevitra nifanaovan’ny kandida roa tonta ny 16 desambra fa mitanila ny minisitry ny atitany avy amin’ny MAPAR, izay nanao tsindry ho an’ireo lehiben’ny distrika sy ireo eo ambany fifehezany hanome baiko hampandany an-dRajoelina. Nisy ny fijoroana vavolombelona samihafa momba izany, ary niseho ny karazana porofo maro momba ny hosoka. Maro ny herisetra sy ny vono olona nihatra tamin’ny mpanohana ny kandida faha-25, ankoatra ny resaka hosoka. Nolavina ny fanisana ny bileta rehetra nampiasaina sy ny ambiny, izay tsy nasiana ilay “numéro de series” voafaritry ny andininy faha-120 amin’ny lalàna fehizo momba ny fifidianana, heverina ho fomba nomanina hanamorana ny hosoka. Tapa-kevitra ny hitaky ny fahamarinana ka hifampizara vaovao ary hamoaka ny porofo rehetra ho fanta-bahoaka teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny K25, saingy tratry ny fampiasan-kery mba hisakanana ny marina. Maro ny fanairana toy ny nataon’ny filohan’ny FJKM, izay nanao antso avo amin’ny HCC mba hamoaka ny tena fahamarinana satria ny fahamarinana no manandratra firenena. Ny Komitin’ny Fahamarinana Fandriampahalemana (K3F) dia niantso ny mba tsy hobaikoina sy ho kofehy manara-panjaitra, toy ny governemanta sy ny CENI ny ity fitsarana avo ity,…  Hanova zavatra ve ny fisian’ireny hosoka maro sy antso avo ireny sa hanara-dia ny CENI ny HCC ? Hohenoina ireny sa tsia ? Hahazo rariny amin’ny vahoaka ve i Andry Rajoelina na teo aza ny lalao maloto ka homena rariny ny kolikoly ? Hahavita hifehy ny mety ho hatezeram-bahoaka izay nitaky ny marina saingy nampanginina tamin’ny lakrimozenina sy ny fampiasan-kery ve ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT