Politique

Valim-pifidianana Hivoaka amin’ny faran’ny herinandro


  • Zoma 16 Novambra 2018

Raha ny vokatra voaray omaly alakamisy 15 novambra tamin’ny 5 ora hariva mahery 5 minitra, dia birao fandatsaham-bato 21201 / 24852 no namoahan’ny CENI voka-pifidianana, izay manome ny 85.31% amin’ny birao fandatsaham-bato.

 

 

 Miisa 8.423.424 / 9.913.599 ny mpifidy voasoratra anarana, ka 4.209.069 ny vato manan-kery, izay manome 53.96%. Na hosoratana amin’ny kandida iray mitarika aza ny ambim-bato kotiana amin’ny taham-pandraisan’anjara 54%, izany hoe antsasaky ny 1490175, dia tsy hahafeno 50% mahery kely intsony. Mizotra mankany amin’ny fihodinana faharoa ny fifidianana filoham-pirenena raha jerena eo amin’ny vokatra eo am-pelatanan’ny CENI, raha ny tsipy teny efa nataon’ny filoha lefitr’ity vaomiera ity omaly tamina haino aman-jery iray. Nisy ny fiantsoana ny kandida sy ny solontenany, ny firaisamonim-pirenena, ny mpanao gazety hanatrika ny fampitahana ny vokatra na ny “confrotation” miainga amin’ny fitanana an-tsoratra eny amin’ny kandida omaly, mba hanaporofoana ny mangarahara, saingy tsy dia nisy namaly ny kandida tamin’ny ankapobeny. Miandry hatramin'ny rahampitso ny CENI, mialoha ny hamoahany ny vokatra vonjimaika amin'ity herinandro ity. Anisan’ny nokianin’ny solontenan-dRajoelina moa ny mikasika ny rindram-baiko na ny “logiciel” hikirakirana ny vokatra izay antony lehibe ihany koa niantsoan’ny CENI fanaovana fampitahana ara-taratasy na tsy teren’ny lalàna hanao izany aza izy ireo. Ambaran’ny sasany ho tsy azo atokisana io rindram-baiko io, ary voalaza ho antony hanenjehana mpandraharaha iray manohana ny kandida Marc Ravalomanana alana baraka any anaty tambajotran-tserasera ho nanao “piratage ary namoahana didy tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara (IST)”. Mpitsara avokoa ny ankamaroan’ny filohan’ny SRMV ary nanao fianianana. Raha toa ka tsy mpitsara dia mpiasam-panjakana ambony “cadre A”. Mahaleotena ary tsy mandray baiko. Afa-po ary mandry ny eritreritray, hoy izy, izay nanamafy fa ny mpikamban’ny CENI 9 mianadahy dia didian’ny lalàna tsy ho mpikambana amina hetsika sendikaly, tsy ao anaty antoko politika. Tsy hitanila amin’ny antoko izahay ary tsy handray baiko, hoy i Thierry Rakotonarivo. Mieritreritra ny tsy hiandry ny talata 20 novambra ho avy izao ny CENI amin’ny famoahana ny valim-pifidianana fa na anio hariva na rahampitso na amin’ny alahady ho avy izao. Izay mety ho fiovana goavana amin’ny vokatra havoakan’ny HCC sisa andrasana fa raha ny lojika dia any amin’ny fihodinana faharoa indray mifankahita.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT