Mitohy ny fampitahana PV sy ny fisavana ireo antontan-taratasy hafa nampiasaina nandritra ny fifidianana farany teo eny amin'ny CENI. Ny tsy fahatomombanana hita mandritra izany dia tsy azon'ny CENI andraisana fepetra hanovany ny vokatra vonjimaika nokirakirainy fa kosa azon'ireo kandida entina hanamafisana ny fitoriana hapetrak'izy ireo eny amin'ny HCC, hoy ny CENI.
Boriboriana amin’ny hoe ny HCC ihany no hany rafitra omen'ny lalàna fahefana hitsara ireo fitarainana momba ny raharaham-pifidianana. Mibaribary ny endrika hosoka sy fandikan-dalàna ary valim-pifidianana niainga tamin’ny hosoka io havoaka anio io satria nokirakiraina tao daholo na ny zavatra marina na ny diso. Nolemena ny saim-bahoaka hanaiky mora foana ny hosoka ary efa hatramin’ny famoahana ny vokatra no toa nezahina novolena sy toa notezaina hanaiky fa Rajoelina no ho lany. Miseho ny porofo samihafa maneho fa marobe ny endrika halatra, toy ny hoe: birao fandatsaham-bato marobe nolazaina fa 100% ny taham-pandraisana anjara tany Atsimo Andrefana, Androy, Atsimo Atsinanana, Ihorombe … Tao amin’ny Birao fandatsaham-bato 610409030101-EPP Ambanikily any Tsihombe faritra Androy, izay 81 ny voasoratra anarana 82 no nandrotsa-bato, izany hoe 101,23% fa ny CENI kosa manoratra an’izany fa 97,62%, izay tsy hay na ho fiarovana an-dRajoelina na fanamoramorana zavatra fotsiny. Tany amin’ny Birao fandatsaham-bato 6305142101-FKT Vohitsevo I, Kaominina Lazarivo, Distrika Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana indray, aza dia 184 ny mpifidy voasoratra anarana tamin’ny fihodinana voalohany, ka lasa 225 tato aoriana, ary lazaina fa nampandany 100% an-dRajoelina. Ny sonia sy ny lavitondro amina lisi-pifidianana aza moa dia misy ny tsikaritra fa toa olona iray no manao an’izany amina anarana efa ho an-jatony maro. Notohizan’ny CENI ny famoahana vokatra niainga tamin’ireny zavatra ireny. Azon’ny CENI an-tsaina ve ny mety ho fahatezeram-bahoaka ? Tsaroana ny tamin’ny fihodinana voalohany ny fisian’ny “anomalies” na tsy fahatomombanana tsy nahafahana nikirakira ny voka-pifidianana tamina biraom-pifidianana tamin’ny fihodinana voalohany ka najanona sy natsipy teny anivon’ny HCC. Nikiana ireny tamin’ity ka lazaina fa tsy azo hovana ny vokatra, fa any amin’ny HCC indray izany no miady. Mbola afaka tsy mamoaka ny valim-pifidianana raha tsy amin’ny sabotsy 29 desambra saingy dodona mafy hamoaka izany anio, ary nangataka fampitsaharana famoahana vokatra aloha ny kandida Ravalomanana dia tsy noraharahiana. Tena mahaleo tena ve ny CENI sa efa voavidin’ny kandida iray ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.