Sarotra ny firosoana amin’ny fampihavanam-pirenena raha ny fahitana ny zava-misy amin’izao fotoana. Mbola mitohy hatrany ny fomba fanaon’ny fitondrana tetezamita, dia ny fanapotehana amin’ny endriny rehetra an’i Marc Ravalomanana sy izay miara-dia aminy. Valifaty tsy miafina intsony no misy amin’izao fotoana
Karohan’ireo vondron’olona tena mankahala an-dRavalomanana ny hamotehana azy tanteraka mba tsy hanembantsembanany azy ireo intsony. Najanona ny raharaha 7 febroary satria tsy mitombina ny fiampangana ity filoha teo aloha ity, ary vao miha aza hanahirana olona maro hafa, izay mbola ao anaty fitondrana. Ny fomba nidirany teto Madagasikara farany teo no ketrehan’ny sasany mba hanagadrana azy mandrapahafatiny, ary dia miaraka maty amin’izay ihany koa ny ankolafy Ravalomanana raha toa ka misafidy ny hangina sy handefitra foana. Ny olana moa, vantany vao mihetsika dia lakrimôzenina, lapan’ny fitsarana Anosy dia migadra any Antanimora avy eo, ny fitondrana tetezamita rahateo efa nanao ny fomba rehetra hanalefahana ny fihetsiketseham-bahoaka, ka dia izao samy mitazam-potsiny izao ny ankamaroan’ny olona fa tsy tena sahy manohitra ny tsy mety ataon’ny mpitondra fanjakana. Ny mahagaga sady mahatalanjona dia tsy andrenesam-peo na dia kely aza ny filoham-pirenena, kanefa izy no afaka mandamina ao anatin’ny indray mipi-maso ny zava-drehetra, raha tena irosoana tokoa ny fampihavanana. Fa raha izao zava-misy izao aloha dia sarotra ny inoana fa hanomboka ny fampihavanana, ny gadra politika aza nitombo isa indray !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.