Politique

Vahoakan’ny Faritanin’i Toliara Namaly bontana ny mpitondra ankehitriny


  • Sabotsy 12 Mey 2018

Manoloana ny filazana nataon’ny mpitondra lazainy fa amoron-tevana tarihan’ny filohany Hery Rajaonarimampianina tao anaty filankevitry ny governemanta tamin’ny talata 9 mey 2018 teo, dia nandefa fanambarana famaliam-bontana izany,

nalefany mivantana tamin’ireo solontenany, Atoa Velonasy Rémi sy Sazalahy Tsianihy,   miara-mitolona amin’ny vahoakan’Antananarivo sy ireo depioten’ny fanovana 73 ny vahoaka avy amin’ny Faritanin’i Toliara izay milaza fa “Tsy ekenay marindrano ny hanaovana anjorom-bala ny Faritany 5, ankoatra an’Antananarivo, norarana tsy hanao hetsika fitakiana ny fialan’ny mpitondra tsy mahomby, manao gaboraraka sy fahoany fahoany satria tokana i Madagasikara, sarotra vakiana koa ny mponina ao aminy foko 18. Ny mampijaly, ny maharary, ny fahantrana mianjady sy mahazo ny vahoakan’Antananarivo dia mihatra amin’ny mpiray tanindrazana ao anatin’ny foko 18 manerana ny nosy ihany koa. Ny hetsika sy fitakiana amin’ny fanovana tarihan’ireo depiote 73 dia tohanan’ny vahoakan’ny Faritanin’i Toliara 100% satria tsy manaiky kolikoly avo lenta, “institutionnel” sy ny fitantanana gaboraraka ataon’ny fitondrana Rajao. Tena manao ny tsy maty manota izy ireo, nitifitra sy namono nahafaty ny mpiray tanindrazana aminy an-kitsirano izao tamin’ny 21 aprily 2018. Tsy misy na inona na inona hantenaina sy handrasana amin’izy ireo intsony fa miala.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT