Politique

Vahoakan’ny Faritanin’i Toliara Mitaky ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Ny vahoaka any amin’ny Faritanin’i Toliara dia ny any Atsimo Andrefana, Menabe, Androy, Anosy dia efa samy namoaka ny ambatombolamenany hoe :

“mitaky ny fametraham-pialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, ny praiminisitra Solonandrasana Olivier sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta tarihany rehetra satria efa tsy manaiky ny herisetra ataon’ny fitondrana HVM amin’ny vahoaka manerana ny nosy. Efa tsy manaiky ihany koa ny fitantanana gaboraraka ary efa leo ny kolikoly amin’ny lafiny rehetra ary hianjadian’ny tsy fandriampahalemana izay efa tsy azo refesina intsony ». Efa tanam-polo ny mpiompy amin’izao vava miteny izao fa lany ny omby, lany ny ondry, lany ny osy izay hiankinan’izy ireo. Na ny tany ambolen’ny tantsaha hamelomany ny vady aman-janany aza dia tapitra hamidin-dRajao amin’ny vahiny. Mitady ho lany tamingana ny sokatra amin’ny afitsoky ny fitondrana tarihan-dRajaonarimampianina ary ny tena loza aza dia ataon-dry zareo ao anaty vatampaty ny fitondrana azy  ka sahirana ny mpitandro ny filaminana satria hampiarahan-dry zareo amin’ny sainam-pirenena izay hitarafana an’i Madagasikara nefa dia izao zimbazimbaina izao. Koa miangavy ny vahoaka Malagasy manontolo na mpiasa na mpianatra amin’ny sekoly  miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ny raiamandreny vitsivitsy avy any amin’ny Faritanin’i Toliara tarihan’Atoa Sazalahy Tsianihy sy Razamizafy Simon, hiombon-kevitra sy  hanohana an’ireo depioten’ny fanovana 73 amin’ny fitakiana ny fialan-dRajaonarimampinina Hery sy ny forongony. Eto koa izahay dia manao antso avo amin’ny HCC handray ny andraikitra tandrify azy. “ Aleo halan’Andriana toy izay halam-bahoaka”, hoy ny ohabolana Malagasy.

Marihanay, hoy ireto raiamandreny avy any Atsimo ireto, fa amin’ny karama raisin’ny mpiasam-panjakana ankehitriny dia ny 24 % na ampahefany dia miverina amin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny hetra alaina na IRSA avokoa ka mitaona ny “mouvement inter-syndicale” hitaky ny fampidinana an’io IRSA io ho latsaky ny 20 % fa raha nilaza ny filoham-pirenena fa miakatra 8 % ny karaman’ny mpiasam-panjakana ankehitriny izay mbola hangalana ilay IRSA 24 % dia 6% ihany no tena fiakaran’ny karama tonga eny an-dovian’ny tsirairay.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT