Rakotra vahoaka tao Ambodihady Ambohimanarina (Rizerie Nenitoa Viky) omaly alakamisy 13 desambra 2018 nihaino sy nitafa tamin’i Neny Lalao Ravalomanana izay nisolotena ny Kandida n°25 ary notronin’ny depiote TIM 6è, Rasoanoromalala Horace,
tamin’ny fanaovana fampielezankevitra ho fampandaniana ny filoha Marc Ravalomanana sy nitondra ny toromarika avy amin’ity kandida ity izay vadiny rahateo. Tokana ny safidy dia Dada n°25 ihany amin’ny 19 desambra izao, hoy izy. Nandalovana ihany koa ny tao Anosivavaka - Ambohimiadana Sud - Antsararay ary teny Anosisoa vao nihazo an'Ambodihady ny mpanao fampielezankevitra teny amin’ny Boriborintany faha-6 tamin’io omaly io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.