Diabe miainga tao amin'ny QG Antanety Sud no nataon'ireo vahoaka mpanohana ny Kandida N°25 Marc Ravalomanana nihazo ny tapany andrefan'Ambohimanarina omaly 10 oktobra tolakandro, ka fokontany maromaro no nolalovana sy nampahafantarana ny programman'asa, izay voarakitra ao anatin'ny MAP2.
Tsy adino ny nampirisika ny olona hanao adidy ny 7 novambra satria aina lehibe ho an'ny firenena ny mandeha mifidy ary dia ny N° 25 Marc Ravalomanana no vahaolana ho an’ny firenena satria izy no manana traikefa sy mahay, mahalala, ary mahavita. Nitarika ireo vahoaka nandeha an-tongotra ny depiote TIM Voafidy tao Ambohimanarina Horace Rasoanoromalala niara-dia tamin'ny ny filohan’ny DISTIM Rafiliberasoa Jean Charle ary ny Filoha lefitra Ramanamparantsa, teo ihany koa ny mpandrindra KMMR Atoa Jocelyn. Nampita ny vaovao ny sekretera jeneralin’ny DISTIM Atoa Tahina. Velombolo avokoa ny fokontany sy toerana tamin’ny lalana izay nolalovana, toy ny teny Ambodimita, Avaratetezana, Amboavahy, Andranomena, Ambohidroa, Ambatolampy ary Avaratanana
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.