Politique

Vahoakan’ny 13 mey Hirohotra ho eny amin’ny Toby Ratsimandrava


  • Alarobia 23 Mey 2018

Omaly talata no nampanantsoin’ny “Element Mixte d’enquête” teny amin’ny Toby Ratsimandrava i Hery Rasoamaromaka, sekretera nasionalin’ny antoko TGV/MAPAR Analamanga, saingy ny mpisolovavany no nalefany.

Hitohy anio ny fanadihadihadiana, ary milaza ho avy ny tenany. Ny fitoriana nataon’ny loholona Olivier Rakotovazaha azy sy ny depiote vitsivitsy toa an-dry Hanitra Razafimanantsoa moa no anton’ny hanenjehana azy noho ireny hetsika famoahana mpiasa tao amin’ny antenimierandoholona ireny. Hetraketraka politika sy mbola fihantsiana ankitsirano avy amin’ny mpitondra kosa no handraisan’ny mpanohitra, indrindra ny avy amin’ny MAPAR sy ny depioten’ny fanovana izany.  Herinandro vitsy lasa izay, dia hentitra ny depiote Tinoka Roberto nampitandrina ny fitondrana, hoe andramo samborina i Hery Rasoamaromaka raha tian’ialahy isany ho haingana ohatran’ny “rallye” ny fionganan’ialahy isany eo. Raha ny re omaly moa, dia hanao rodobe ho eny amin’ny Toby Ratsimandrava ny avy eny amin’ny 13 mey anio. Tsara ihany koa anefa ny mampahatsiahy, fa anisan’ny faritra mena ary efa nasiana ireny karazana tady maneho izany ireny eny an-toerana. Karazana fihantsiana ady sy mizana tsindrian’ila na fitanilana avy hatrany ity fampiantsoana sy ny fanenjehana an’i Hery Rasoamaromaka ity ho an’ny mpanohitra, ary tsy hanaiky lembenana izany izy ireo, raha dinihina tamin’ny fanehoan-kevitra maro, ka haneho ny firaisankina eny amin’ny Toby Ratsimandrava anio, saingy tsy hay izay mety ho fiarovana eny an-toerana. Ny teo anivon’ny Sendikan’ny mpitsara, ohatra, dia nampahatsiahy fa takian’izy ireo ihany koa mba hampanantsoina eny amin’io “Element mixte d'enquête” io ny loholona Riana Andriamandavy, izay nitarika olona nikomy teny amin’ny Bianco, izay mbola nahazo fiantsoana hatramin izao, hoy ny filohan’ny SMM Faniry Ernaivo tao amin’ny tambajotra facebook. Mbola misy, hoy izy, ireo fitoriana nataon’ny SMM mikasika fandikan-dalàna maro nataon’ireo mpitondra, anisan izany ny raharaha kolikoly nampitsoahana an’i Houcine Arfa gadra teny Tsiafahy, ny fandoroana ny taratasin’ny mpiadina teny amin’ny ENMG, ny fandrahonana sy fanalana baraka nataon’io Senatera voalaza io,… Misy ny fitorian’ny SSM sy ny sendikan’ny hetra mikasika ny orinasa AMETIS izay tsy mbola misy tohiny hatreto, ka takianay ny hampiantsoana ireo olona voakasika amin’izany, hoy hatrany i Faniry Ernaivo. Andrasana izay hiseho eny amin’ny Toby Ratsimandrava anio, izay tombanana fa hafampana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT