Ireo raiamandreny ao amin’ny fikambanana Tokobetelo sy ny vahoakan’i Toliara soloin’Atoa Sazalahy Tsianihy tena tonga eto Antananarivo dia misaotra ny raiamandreny H.C.C nampandresy ny fahamarinana sy ny ara-dalàna izay voasoratra sy voalaza ao amin’ny lalàmpanorenana.
Misaotra azy koa tamin’ny fihainoana ny antsoantso nataon’ny vahoaka notarihan’ny depioten’ny fanovana miisa 73 mianadahy. Voamarika, hoy ny Tokobetelo, fa tsy ara-dalàna no tsy ara-drariny ny « code electorale » novolavolain’ny governemantan-dRajao izay tarihan’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier nentina nanentanana ny vahoaka mpifidy. Tokony hametra-pialana tsy misy hatakandro, noho izany, ny governemantan-dRajao miaraka amin’ny praiminisitra Mahafaly Olivier sy ny tenany fa tsy mahay na inona na inona fa mamahan-dalitra ny mpiray tanindrazana aminy, mandainga sy mamitaka ny vahoaka Malagasy mba hifikirana amin’ny seza ahafahana manao kolikoly avo lenta sy tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary hanohizana ny trafikana andramena fanaony. Aleo ny mahay sy ny mahalala ho avy eo fa ny tsy mahay kosa miala. Tsy nohajain’ity filoha am-perinasa ity ny fianianana nataony teo anatrehan’ny mpiray tanindrazana taminy fa mbola ny famonoana azy indray aza no nataony tamin’ny 21 aprily 2018 lasa teo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.