Hanao fampielezan-kevitra amin’iny lalàm-pirenena voalohany iny ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana anio alarobia 31 oktobra.
Misy fotoan-dehibe roa ao anatin’izany, dia ny maraina manomboka amin’ny 10 ora eny Imerintsiatosika. Aorian’izay izy dia hifampitaona amin’ny mponin’Ampitatafika sy ny vahoakan’Atsimondrano tsy ankanavaka eny amin’ny Tanimenabe Ampitatafika. Manasa ny zanak’i Dada rehetra eny amin’ny manodidina sy ireo rehetra resy lahatra amin’ny kandida laharana faha-25 ny mpanentana. Mpanangana fa tsy mpandrava isika, ary hahavita bebe kokoa aza, koa mahatoky ny vahoakan’Atsimondrano sy ny any amin’iny lalam-pirenena voalohany i Marc Ravalomanana satria fitia mifamaly hatry ny ela ny an’ny roa tonta. Amin’ny 11 ora dia efa hanomboka ny fanentanana samihafa eny Ampitatafika. Isan’ny faritra be mponina indrindra eto Madagasikara ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, izay hatramin’izay no nanohana hatrany an’i Marc Ravalomanana noho ny fahatsapana fa ity farany no nahavita sy mbola hahavita hampandroso ny firenena, ary hoporofoin’ny latsa-bato amin’ny 7 novambra izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.