Politique

Vahoakan’Atsimondrano Ampy izay ny famitahana anay


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Hatramin’ny nanaovan-dRandriarimalala Harijaona na Jaona Elite fametraham-pialana tsy ho lehiben’ny Vondrona Parlemantera HVM intsony teo anivon’ny Antenimieram-pirenena,

 

 

 dia mitady hevitra ny hanafenana ny fahadisoana vitany izy ary ety amin’ny kaominina Ankadimanga Antananarivo Atsimondrano no hanaovany izany satria tety no nahavoafidy depiote azy, hoy i Dadaleba sy ny Antoko TIM eny an-toerana. Kandida tsy miankina no nirotsahan’i Jaona Elite ary nony voafidy dia nivadika ary lasa lehiben’ny vondrona parlemantera HVM mihitsy aza. Tsy nahafaly ireo mpanohana azy teny Atsimondrano izany, hoy i Dadaleba satria manaporofo ny tsy fahamatorana. Amin’izao fotoana izao dia manao asa eny amin’ny kaominina Ankadimanga, toy ny fanamboaran-dalana rarivato 200m, teo Andravako, izay ny CCPREAS no nanao famatsiam-bola. Mandray anjara ihany koa amin’ny fanamboarana “barrage restreint” eny Antsampanana-Digy. Ny ampahany betsaka dia an’ny kaominina eny amin’ny manodidina ary ny an’Ankadimanga no betsaka indrindra. Mandray anjara ihany koa ny “Génie rurale” eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena. Nanao fanadiovana fantsakana tao Ambohidavenona renivohitry ny kaominina. Fitokanana sy fanolorana makotrokotroka no natao,  ny 1 septambra lasa teo, izay nisy famonoan’omby sy fiaraha-nisakafo tamin’ny fokonolona vitsivitsy, ka ny avy amin’ny kaominina Fiombonana no tena teo. Eo anatrehan’izany dia misaotra sy mankasitraka tamin’ny zava-bita izahay, ary miantso ny tsara sitrapo rehetra hanatevina. Ny tantara anefa tsy azo kosehina dia ny famitahana vahoaka nataon’i Jaona Elite, toy ny tamin’ny fandaniana ny lalàm-pifidianana farany teo, niparitahan’ny horonantsary teny amin’ny tambajotra sosialy, ny fanapotehana ny tolon’ny mpampianatra … Izany toetra izany, hoy i Dadaleba no handavanay Tiako I Madagasikara eto Ankadimanga ary Atsimondrano rehetra mihitsy ny fiaraha-miasa aminy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT