Politique

Vahoakan’Atsimo Atsinanana “Mila an’i Dadavalo izahay”


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Nihazo an’Ankaramalaza hiatrika ny isan-kerintaona faha-77 any amin’ny Toby FLM any an-toerana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay nigadona tao Manakara omaly.

 Nialoha izay dia nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ny vahoaka teny an-dalana ny tenany, nihaino ny mponin'ny faritra atsimo atsinanan'ny nosy iny, ka niantso azy ireo vahoaka mba hanavotra ny firenena. “Miandry anao izahay Dada a !”, hoy ny horakora-pifaliana. Nanome toky fa hanao izay faraheriny hanampiana ny Malagasy sy hanavotana ny firenena i Marc Ravalomanana. Tonga ny fotoana hiasa miaraka isika, hoy izy. Misaotra amin'ny fandraisana nataonareo ahy teo Vohiposa, Ambohimahasoa, Faraony, Marofarihy. Na nandalo fotsiny aza aho dia nasainareo hiresaka sy hifanakalo hevitra, hoy i Marc Ravalomanana. Niara-nizara ny manta sy ny masaka isika, ary nandinika mikasika ny zavatra azo iarahana miasa hahatontosa ny fiovana tadiavina. Faly aho fa mitovy ny fomba fijery. Ny miasa miaraka no fahombiazana, raha ny nambarany. Somary niavaka ny tao Manakara satria horakora-pifaliana, dihy sy hiakam-panantenana sahady no nandraisan’ny vahoakan’i Manakara an’i Marc Ravalomanana nandritra ny fahatongavany tany an-toerana omaly. Vahoaka an’arivony maro no nihoraka sy nitehaka ary niventy mafy hoe “io ny anay io o !” nandritra ny dia an-tongotra nataon’i Marc Ravalomanana. Tsy nisy mpanakanto malaza na fanentanana lehibe fa fahatongavana tampoka, saingy mirohotra ny vahoaka vao maheno fa tonga izy, toy ny hita tany Moramanga sy ny faritra Alaotra ny herinandro nivalona teo. Tena kandidam-bahoaka satria, toy ny volamena latsaka am-bovoka tsy havelan’ny tarany tsy hamiratra e !

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT