Politique

Vahoaka mitady ny fahamarinana Mizotra any amin’ny fandresena


  • Zoma 04 Janoary 2019

Azo lazaina ho efa fandresena iray lehibe ny nahafahana nanomboka ny tolom-bahoaka mpitaky ny fahamarinana tetsy amin’ny 13 mey nanomboka ny 29 desambra 2018 teo.

 Sedra iray nolalovana iray hafa indray ny niseho ny 2 janoary 2019 teo raha nosakanana tsy hiditra tao amin’ny Parvis ireo mpitolona notarihin’ny K 25 ary nampiainan’ireo mpitandro ny filaminana natao hery famoretana baomba mandatsa-dranomaso sy bala fotsy ka nisy ny naratra sy voasambotra. Nosakanana tsy hijery mivantana amin’ny alalan’ny fahitalavitra lehibe ireo hoso-pifidianana tra-tehak’ireo mpanadihady nanaradia ny kandida ho filoham-pirenena, Marc Ravalomanana, moa izy ireo ny alarobia fa nomen’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fiarovana alalana hijery kosa omaly alakamisy. Dingana lehibe hafa indray, raha ny fanamarihan’ireo mpamakafaka, no tontosan’ireo vahoaka mpitady ny fahamarinana omaly satria hita ampahibemaso ny ampahany voalohany. Mizotra any amin’ny fandresena hatrany ny tolona satria azo nampiasaina omaly ilay fahitalavitra ary mirary izy ireo mba afaka ny hahita hatramin’ny farany ireo hosoka tsy tokony hafenina nanivaivana ny safidiny. Ny fahafantaran’ny vahoaka ny tena marina no fandresena voalohany sy goavana indrindra fa ny ambiny kosa dia ankinina amin’ny fahendren’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT