Politique

Vahoaka Malagasy Tsy ho fitaovana politika intsony


  • Alatsinainy 29 Desambra 2014

Tsy noheverin’ny mpitondra fanjakana sy ireo mpanao politika mpitady seza ho olom-pirenena manana andraikitra sy adidy mihitsy ny vahoaka Malagasy hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara tamin’ny taona 1960.

Nanaporofo izany ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika eto amin’ny firenena efa ho 54 taona izao. Efa fantatra rahateo ny fomba fiasan’ireo mpikarama an’ady politika Malagasy tohanan’ireo teratany vahiny mpanam-bola tao anatin’ny 5 taona mahery nitantanan’ireo mpanongam-panjakana ny firenena. Iraka sahanin’izy ireo matetika ny manambaka ireo mpiara-belona amin’ny fizarana vola sy kojakoja madinika ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Ny mahatsikaiky amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao fotsiny dia samy miezaka maka ny fon’ireo ampahan’ireo vahoaka nitolona tamin’ny fanalàna an-keriny ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ireo tompon’andraiki-panjakana mpiara-dia taloha saingy mifanavaka ankehitriny. Nampiova zavatra kosa anefa ny fanovana mpitondra voafidim-bahoaka tsy ara-dalàna nitranga tamin’ny taona 2009. Niavaka tsara mantsy ireo olom-pahefana bala rora tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany manam-pahaizana manokana amin’ny fanapotehana ny fiainam-pirenena ka mampahantra fadiranovana ny vahoaka maro an’isa sy ireo tena olom-panjakana mihevitra ny tombontsoan’ny besinimaro sy ny hoavin’ny taranaka mandimby. Nampihiratra ny masom-panahin-dRamalagasy rahateo ny fahoriana mianjady aminy efa ho enin-taona latsaka izao ka tsy ho voarebirebin’ireo mpanao politika nanan-karena tampoka ao anatin’izao fahasahiranana lalim-paka iainan’ny vahoaka izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT