Efa hatramin’ny taona 1960 nanomezana antsika ny fahaleovantena ka hatramin’izao dia mbola misy hatrany ireo karazan’olona antsoin’ireo avara-pianarana hoe notarazoim-panjanahana ka tsy mahay afa-tsy ny mamboly fifanandrafiana eo amin’ny samy Malagasy.
Maro ireo endrik’izany efa nitranga toy ny namaritan’ireo mpahay vondron’olona nampiasain’ny sampandraharaha siantifika frantsay na ny ORSTOM nanomboka ny taona 1910. Tsy mbola maty tanterka hatramin’izao ny famaritana napetrak’izy ireo toy ny hoe “merina malama loha”, “betsileo jokotsoriaka”, “tandroy fangalarana”, “betsimisaraka hakamoana” sy izay namaritan’izy ireo ny foko 18, araka ny fanasokajiany azy. Ny mahagaga dia avarapianarana Malagasy hatrany hatramin’izao no mbola maika mivoy fandrangitana adim-poko toy izany amin’ny alalan’ny filazana fa ny kandida iray dia eto Antananarivo ihany no mahazo vato fa very lavitra kosa any amin’ireo faritany 5 hafa. Aty amin’ny taonjato faha 21 sy taona arivo fahatelo dia mbola misy mpanao politika sy avara-pianarana mivoy hevitra mandrangitra adim-poko toy izany ihany. Olona mivoy fampihavanana indray no lotoina ary lazaina fa tsy mahay miara-miasa raha tsy amin’ny foko avy atsy na avy eroa irery. Tsy mbola anaty fitondrana aza moa dia efa toy izany sahady no atao ka mainka rehefa tonga eo ve tsy vao mainka hampirisika amina hadalana mihoatra noho ny fandrobana sy fanonganam-panjakana nitranga ny taona 2009.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.