Politique

Vahoaka Malagasy Hiaina amin`ny fampanantenana poakaty foana ?


  • Talata 13 Novambra 2018

Tsy misy tsy maniry ny fandehanan`ny fifidianana an-tsakany sy an-davany ao anatin`ny filaminana tanteraka mba hahatongavana amina filoham-pirenena vaovao lanim-bahoaka, lany amin`ny fifidianana tsy misy hala-bato,

 

 

 hosoka na herisetra ihany koa. Na dia miezaka mampiakatra ny harinkarena faobe izay 4.3% ho 5% ny fitondrana amin`izao dia mazava fa ny fampandrosoana mba hiarin-doha ihany. Zava-dehibe ny fifidianana filoham-pirenena saingy mandalo ihany izany miaraka amin`ny fahantrana. Tokony hiaina ao anaty fahadisoam-panantenana sy fampanantenana poakaty foana ve ny Malagasy ? Nandritra ny fampielezan-kevitra, betsaka ny fampanantenana na amin`izao na amin`ny ho avy toy ny fotodrafitrasa hisarihana mpifidy. Na poakaty aza dia azo heverina ho finiavana tsara ihany raha tanteraka ho an`ny firenena ary ny ho avy no hitsara momba izay. Fiainana ao anaty fahantrana, fiainana manantena hatrany, fiainana izay nosoavin`ny zanahary amin`ny harena ankibon`ny tany saingy tsy mba nitrandraka izany amin`ny tokony ho izy. Ny vahoaka ihany koa no hitsara izay filoha ho lany eo na hahavita na tsia ny fampanantenana. Vita iny ny fifidianana ary samy miandrandra kandidà ny rehetra kanefa ny vahoaka malagasy dia tokana, ny firenena tokana, ny filoha tokana ka aoka tsy ny politika no hatao hampiady fa izay lany eo dia iraisana ary manana adidy hampiray ny Malagasy ary mendrika ny hijaly intsony. Ny zava-misy aloha dia fampandrosoana mandeha miadana no iainan`ny vahoaka. Mila mandray ny andraikitra tandrify azy avy ireo tomponandraikitra mahefa mba hanampy amin`ny fametrahana ny mangarahara sy miaro amin`ny hala-bato. Faniriana tokoa izany ary rariny loatra satria tsy mendrika intsony i Madagasikara hilatsaka ao anaty krizy miverimberina izay tsy mahasoa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT