Rehefa nodinihina ny fihetsiky ny Malagasy hatramin’izay, hoy ny mpanao politika iray, dia tsy dia hoe tsy fahatongavan-tsaina
loatra no antony hamerenany eo amin’ny fitondrana izay efa naongany sy ny antony hanonganany mpitondra fa tena famaizana fotsiny tsotra izao. Naongany ny filoha Ratsiraka tamin’ny taona 1991 satria tiany ho tonga saina tamin’ny tsy nety nataony. Naveriny indray iny avy eo ny taona 1993 hijereny hoe efa hendry ve ? Hanafay mpanongam-panjakana indray izao, hoy hatrany ny fanazavany, ny Malagasy amin’ity taona ity ka fomba hahatongavany amin’izany ny famerenany eo amin’ny fitondrana izay niongana tamin’ny 2009. Toy izany hatrany no tranga nisy teto, hoy izy, ary ohatra raisina fotsiny ireo fa hanafay mpanao politika indray ny Malagasy amin’ity rehefa diso fanantenana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.