Politique

Vahaolana momba ny fifidianana Manana safidy 3 ny HCC


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Efa mazava ny fanapahan-kevitry ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), izay nilaza fa nandresy tamin’ny fifidianana filohan’ny repoblika fihodinana faharoa i Andry Rajoelina.

 

 

 

Hentitra ihany koa ny avy amin’ny K25 mpiara-dia amin’i Marc Ravalomanana, ka nanatsikafona sy nitondra porofo an-tsoratra, an-tsary sy amin’ny alalan’ny horonam-peo ny halabato faobe natao teto. Manizingizina izy ireo fa i Marc Ravalomanana no nahazo ny isam-bato besaka indrindra tamin’iny fihodinana faharoa notanterahana ny 19 desambra 2018 iny. Any amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny baolina. Tsy maintsy misafidy amina fanapahan-kevitra 3 ry zareo eny Ambohidahy. Voalohany dia tsy miasa saina be na mbola hanao fanadihadiana lalina fa mandray izay antontan-taratasim-pifidianana avy any amin’ny CENI ka manamafy fa voafidy ho filoha tokoa i Andry Rajoelina na dia teo aza ny tsy fahatomombanana tetsy sy teroa, ireo mpanara-maso iraisam-pirenena rahateo nilaza fa nilamina ny fifidianana tamin’ny ankapobeny. Faharoa, nandray sy nandinika ny fitarainana ny HCC ary hilaza fa nisy tokoa ny fandikan-dalàna nataon’ny kandida Rajoelina ka noho izany dia mihintsana avy hatrany izy, izany hoe ny kandida Ravalomanana no tonga dia lany ho filoha. Tranga iray io izay heverin’ny mpamakafaka politika sy mpanara-baovao fa tsy hotononin’ny HCC satria ambony ny herijika amin’ny hisian’ny korontana raha io no fanapahan-kevitra horaisina. Ny tranga fahatelo farany, izay manomboka ironan’ny eritreritry ny besinimaro dia ny hoe  be loatra ireo tsy fahatomombanana, niteraka ahiahy sy tsy fifampatokisana, ka noho izany averina ny fifidianana filohan’ny repoblika fihodinana faharoa ka ialohavana fepetra maro samihafa io, tahaka ny hoe fanovana ny firafitry ny CENI, fanokafana manokana ny lisi-pifidianana na koa fananganana governemantan’ny firaisam-pirenena fehezina fifanarahana politika. Isan-karazany ireo tombantombana saingy ireo mpitsara lehibe 9 mianadahy eo anivon’ny HCC no tena tompon’ny teny farany, ary hamaritra ny hoavin’ny firenena izay fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT