Politique

Vahaolana amin’ny krizy Manainga ny hery velona rehetra mba hikaon-doha ny CCIS


  • Sabotsy 12 Mey 2018

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ihany koa ny Collectif des Cadres Intellectuels any amin’ny Faritra Sofia.

Nambaran’izy ireo fa mahatsiaro ho manana adidy sy andraikitra amin’ny fandrosoana ny firenena ny mpikambana noho izany tsy afaka ny hangina sy hitazam-potsiny. Miantso sy manainga ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena izy ireo mba hiaraka hikaon-doha hitady vahaolana. Anisan’ireny ireo ray aman-dreny am-panahy, ireo tompon’andraiki-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena. Ny hahafahana mikatsaka ny firahalahiana sy ny fifanajana ao anatin’ny fanomezan-danja ny soatoavina Malagasy no tanjon’izy ireo  amin’izany ho tombontsoan’ny besinimaro. Nomarihin’ny CCIS fa vonona izy ireo ny handray anjara amin’izany ho fikatsahana ny tombontsoa iombonana eto amin’ny firenena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT