Hiroso amin'ny fitetezam-paritra indrindra amin'ny fahampafantarana ny programan'asany ny kandida Andriamorasata Solo Norbert.
Nisafidy ny hizotra tao anatin'ny fahanginana tanteraka izy hatramin'izay saingy tonga ny fotoana hisehona amin'ny vahoaka ity kandida ity amin'izao fotoana izao, hoy izy. Nilaza izy fa tombony lehibe ho an'ny Antoko UDECMA/KMTP, ny fananana ratsa-mangaika manerana ny Nosy , izay hanampy mandritra ny fotoanan`ny tena fampielezan-kevitra. Ny tena mahamaika sy vain-dohan-drarahany raha tonga eo amin’ny fitondrana, dia ny fanarenana ny lafiny toe-karena sy ny fandriam-pahalemana ary tonga ny fotoana hampafatarana ny vinany amin'ny vahoaka Malagasy. Natsidiny ihany koa ny fanentanana ny tsirairay hamita ny adidiny, hifidy mandritra ny androm-pifidianana, ary ny hisian'ny fahamarinana , fifankatiavana sy fandriampahalemana eto amin'ny nosy. Hitsidika ny distrikan'ny Manjakandriana ny tenany amin'ny faraparan'ity volana septambra ity ary hitohy an'ny fitetezana ny faritra Antsinanana rehetra iny. Marihana fa ny antoko UDCMA/KMTP dia isan`ireo antoko lehibe fahiny fa miroana amin`ny hery ankavia. Ny ankamaroan`ireo nandrotsaka kandidà kosa dia saika ny hery ankavanana avokoa no mirotsaka, kanefa tsy hita ny tena mpanohitra raha ny nambarany, ka heveriny sy hantenainy, fa hirona mankany amin’izy ireo izay hery ankavia ny safidin’ny olona hoy hatrany ny fanazavany raha nitafa tamin`ny mpanao gazety.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.