Politique

Tsy voafehy…


  • Talata 09 Desambra 2014

Miara-mitontona ny olana maro ankehitriny. Dibo-drano ny faritra iva eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra hafa, tahaka an’i Tolagnaro noho ny orana mikija

Mbola misy ny pesta ary mihanaka. Mitohy hatrany ny asan-dahalo fa tsy nilamina na dia efa an’arivony aza ireo dahalo nambara fa niova fo. Tena lasa olana manerana ny nosy ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano, ratsy endrika tanteraka eo imason’ny Malagasy ny Jirama sy ny fitondram-panjakana. Mbola eo ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana tena mibaribary be ataon’ny mitondra sasany. Misy ihany koa ny fanaparam-pahefana sy fanararaotam-pahefana izay hita isan’andro. Firifiry moa ireo fiara ana manampahefana na fianakaviana manampahefana, tsy menatra akory misongona sy mitsofosofoka anaty amboteiazy, ary tsy miraharaha mihitsy ny fiaran’ny olon-kafa efa miandry eo ora iray na roa. Zavatra faran’izay bitika izany kanefa tena azo itarafana ny tsy fahamatoran’ny mpitondra misy eto amin’izao fotoana, raha maika …nahoana no tsy efa nandeha mialoha be ? Resaka fandaminana fomba fiasa izany, fandaminana fotoana ka raha izany aza tsy voafehy, dia ahoana moa no hifehezana ny fitantanana ny firenena e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT