Politique

Tsy nahatafiditra kandida na dia iray aza ny Mapar tamn’ilay fifidianana solombavambahoaka naverina tany amin’ny distrika 4


  • Talata 02 Septambra 2014

Ny VPM/MMM ( Ambanja), Hiaraka isika (Belo Tsiribihana), mahaleotena tao Sainte Marie sy Marovoay no nivoaka ho mpandresy raha araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI- T omaly.

Na dia tsy nisy aza ny hetsika omaly, nanambara ireo mpitarika sendikaly fa ho avy ny fitokonana faobe eo anivon’ny Air Madagascar. Tsy nahitam-bokany ny fihaonan’ny solontenan’ny sendikan’ny mpiasa sy ny filankevi-pitantanana, tsy miova ny tanjona fa dia ny fanesorana ny Air Madagascar ao anatin’ilay Annexe B na ny lisitr’ireo kaompaniam-pitaterana ana habakabaka tsy mahazo misidina any eoropa.

Hisy ny volavolan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana vaovao hatolotra ny antenimieram-pienena mba hodinihina amin’ny volana oktobra ho avy izao. Ny minisiteran’ny fitaterana no namolavola azy ity ary nezahana mba hanaraka ny toetrandro ny fitsipika sy ny sazy voarakitra ao anatiny.

Natomboka omaly teny amin’ny fokontany 3L Soanierana ny asa tana-maro eo ambany fiahian’ny vadin’ny filoham-pirenena. Fanadiovana ny tanàna sy ny tatatra ary ny lakandrano izy ity. Olona 100 ka hatramin’ny 300 ao amina fokontany 5 no voakasika mivantana. Mandritra ny 10 andro ny hetsika ary handray karama 3000 Ar isan’andro ny olona iray.

Nilaza ny hametraka fitarainana eny amin’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana i Bruno Rajaonson na Brunly, kandida solombavambahoaka tany Marovoay. Nisy ny fampiasana ny fahefam-panjakana mba hampandresena kandida iray tany an-toerana, hoy izy, ary nampiasa hatramin’ny mpitandro ny filaminana mihitsy aza ireo olom-panjakana mba hampandaniana ny kandidany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT