Hatramin’ny fahaleovantena no ho mankaty dia efa an’aliny ireo tanora mahay mitam-basy no miriorio any anaty fiarahamonina any fotsiny na an-drenivohitra na ambanivohitra saingy tsy misy politika mazava ny fanjakana hanomezana andraikitra azy ireo ka mahamora ny fanararaotana azy ireo
. Tsy azo ambara ho milamina mihitsy ny toe-draharaha politika eto Madagasikara. Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety dia nanambara Atoa Justin Andrianirina, filohan’ny « Mizatra » ( SN-VSN-Veuves) na ny fikambanan’ny miaramila, zandary , ireo izay nandalo ny service nationale fahiny sy ireo nanao ny service légale teo anivon’ny Foloalindahy ary ny vadin’ny Foloalindahy maty am-perinasa fa misy mpanao politika mamory rezervista indray any ho any mba hanakorontana sy hanao milisy hiaro ny tombontsoa sy firehana politika. Mampalahelo ny toe-javatra toy izany satria dia karamaina hifamono indray ny samy Malagasy mba hakana fahefana », hoy Atoa Justin Adrianirina. Mananatra ny tanora malagasy mahay mitana basy sy izay efa nandalo ny fiofanana miaramila ny tena mba tsy hanaiky ny hataon’ny mpanao politika fitaovana. Tadidio ny nahazo ny rezervista tamin’ny taona 2002, hoy ity filohan’ny Mizatra ity fa baomba mandatsa-dranomaso no valin’ny fitakiana nataon’izy ireo tamin’izany fotoana. Tsy nambaran’Atoa Justin Andrianirina kosa fa nisy tafahoatra ny fangatahana napetrak’ireo rezervista tamin’ny taona 2002.
Esory izay tsy mamely
Nanipy teny ho an’ny Filoham-pirenena ihany koa ny fikambanana « Mizatra » ny hanalany ao anatin’ny ekipany ireo izay tsy mahomby fa ny vy tsy mikitrana irery. Ho an’ny Solombavambahoaka indray dia nanambaa Atoa Justin Andrianirina fa tokony hijoro amin’ny maha mpitondra tenin’ny vahoaka azy izy ireo. Tsara ny mikapo-janaka fa raha hamono vahoaka kosa dia mila fandinihana, hoy ny filohan’ny « Mizatra ». Ambonin’izay dia niteny mafy ny mpanao politka izay zatra manao fitaovana sy manao tsinontsinona ny mpitandro ny filaminana ny filohan’ny « Mizatra ». Toa lasa mpanompo mpanao politika ny Foloalindahy, hoy ny nambarany fa tsy hanompo vahoaka toy ny niantsoana azy hatramin’ny taona 1960 intsony. Nanambara moa ity fikambanana ity fa tsy nieritreritra ny handray anjara amin’ny fitantanana ny firenena raha tsy amin’ny toe-javatra mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka sy manaja ny lalàna velona ihany koa. Ankehitriny dia manenika ny faritra 15 amin’ny 22 misy ny « Mizatra » ary ahitana mpikambana sivily ihany koa. Ho an’Antananarivo dia hisy hetsika manokana hananganana ny birao eto anivon-tany ary homarihina amin’ny hetsika « Rodorodo » lehibe izany araka ny nambaran’ny filohan’ny fikambanana ihany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.