Politique

Tsy manaiky hampiadiana intsony Hifidy an-dRavalo ny ambany tanàna


  • Talata 11 Desambra 2018

Noporofoin’i Marc Ravalomanana kandida faha-25 sy ny vahoaka eny ambany tanàna fa tsy marina ny filazana, fa olona manavakavaka izy ary tsy tia ny vahoaka madinika eny ambany tanàna sy ny olona any amin’ny faritra, araka ny resaka voizin’ny mpampisara-bazana.

Faritra iva maro teto Antananarivo no notsidihiny omaly. Voalohany ny Andavamamba  niarahany nihosona tamin’ny vahoaka  an-kafaliana. Niara-dia tamin’i Dada i Neny Lalao Ravalomanana  izay notronin’ireo  vahoaka avy amin’ny fikambanana  Ambalambahoaka, eny amin’ny faritra iva.   Nohamafisin’i Marc Ravalomanana tamin’ny  mponin’Andavamamba   fa  tena tia  ny  Ambalambahoaka  izy, fa tsy araka fanaratsiana azy. Tsy tenenina amin’ny vava fotsiny  na  averimberina  isan’andro   anefa izany,  hoy izy,  fa tsy maintsy porofoina  amin’ny asa ny fitiavana ny vahoaka. Aza matahotra ianareo fa ao anatin’ny 100  andro dia hataontsika milamina sy mahafinaritra  ny tanàna toa an’Andavamamba. Ny resaka fako  eto Antananarivo  indray, raha vao tonga eo amin’ny toerana  isika   dia  ho avy ny bakan-jaoridira marobe  hanadiovana  ny tanàna, toy ny nisy tamin’ny taona 2002, fa manàna faharetana kely ianareo. Ankoatra  izay, tsy nijery fotsiny ireo mpanasa lamba tao amin’ny  toeram-panasan-damba  ao  Isotry tetezan’i Bekiraro  i Neny  Lalao Ravalomanana,  fa nijery ny tokony hanampiana  ireo mpikarama matihanina  renim-pianakaviana  an-jatony  tao an-toerana. Notolorany fitaovana toy ny koveta, siny,  savony … ny fikambanan’ny mpanasa lamba  ho fanampiana azy ireo. Nisy ihany koa ny fizarana  T- shirt  mahakasika ny  fanentanana amin’ny tokony hanadiovana  ny tanàna  satria zava-dehibe  ho an’Antananarivo,   hoy izy, ny miaina ao anaty fahadiovana  amin’ny maha soa iombonan’ny Malagasy azy. Faly ireo mpanasa lamba tamin’ny fanomezana  nataon’i Neny   satria tena miaina ao anaty fahasahiranana lalina.  Nitohy teny Anosibe Mandrangobato ny fihaonan’i Neny Lalao Ravalomanana    tamin’ireo vahoaka,   na tsy  afaka niaraka  taminy  aza  ny kandida Marc Ravalomanana izay nihazo ny Atsimon’ny Nosy.  Nampanantena  ireo fikambanana  Ambalambahoaka fa  hanaraka ny filoha Ravalomanana  ary hanao izay hampandany azy eny amin’ny faritra iva. Tia anay i Dada, hoy izy ireo,  fa tsy marina  ny filazàna fa mpanavakavaka  izany izy. Mailo izahay Ambalambahoaka  amin’izao fihodinana faha 2 izao,  fa  tsy toy ny tamin’ny  fihodinana  voalohany, ka hanara-maso akaiky sao  misy mitady hangala-bato eo,  hoy  ny Ambalambahoaka. Nanome toky fa  hiakatra ambony ny vaton’ny filoha Marc Ravalomanana eny amin’ny faritra iva. 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT