Politique

Tsy maintsy mifampiresaka


  • Alatsinainy 22 Jona 2015

Manomboka miova tsikelikely ny endriky ny tontolo politika eto Madagasikara tato anatin’ny herinandro izao. Tsy tahaka ny teo aloha intsony ny fifankahazoan’ny TIM sy ny HVM. Midika zavatra betsaka ny tenin’Atoa Ravalomanana teny Bongatsara ny sabotsy lasa teo

 
 Hita taratra tamin’ny firesany fa misy ny mahasorena azy ary avy amin’ny fitondram-panjakana io fa tsy zavatra hafa tsy akory. Mailo ny TIM ka nisafidy ny hangina aloha. Maty momoka teo ihany koa ny ketriky ny vondrona Mapar satria efa mirona any amin’ny fifampiresahana izao ny eritreritry ny maro an’isa. Nanantena mafy mantsy ity vondrona politikan’i Andry Rajoelina ity fa hisy ny savorovoro politika dia ho avy ny fidinana an-dalambe dia hirodana ho azy ny fitondrana. Tsy hoe mafy orina be akory ny fitondrana misy amin’izao fotoana saingy loza amin’atambo ho an’ny firenena kosa ny fidirana indray ao anatina tetezamita ary efa nampitandrina mafy ny momba izany ny fianakaviamabe iraisam-pirenena. Na inona na inona fifandiran-kevitra dia tsy maintsy irosoana ny fifampiresahana, tsy afaka ny midingin-drambo kosa anefa ny fitondrana HVM satria voaporofo izao fa malemy fototra izy, na eny amin’ny antenimieram-pirenena na eny anivon’ny vahoaka sy ny fiarahamonina. Efa nilamina ny fiainana teto, niroso ny asa, tsy nisy ny fitokonana etsy sy eroa raha nahazo famatsiam-bola ny fanjakana, fa tsy misy ny vola am-pelatanana matoa sarotra hita ny vahaolana. Fahendrena ny miresaka amin-kitsim-po  ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena fa tsy hisy hivoaka mpandresy izany eto raha raikitra ny korontana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT