Politique

Tsy hita be ihany…


  • Alarobia 25 Febroary 2015

Samy maminavina izay mety ho avoak’ilay fampihavanam-pirenena karakarain’ny FFKM ny rehetra, mazava ho azy fa tsy maintsy misy ny mankasitraka ary misy koa no tsy resy lahatra amin’azy io.Somary sarotsarotra raisina rahateo ny foto-kevitra itondrana ny resaka satria ao anatin’ny finoana Kristianina ny FFKM, ka ho an’izay tsy mpino Kristianina na tsy dia maharaka tsara ny foto-pinoana ao dia tsy hahatakatra mihitsy ny tanjona amin’io fampihavanam-pirenena ataon’ny FFKM io


.Na izany aza, samy resy lahatra ny tsirairay, afa-tsy ireo izay efa lian-drà sy rakotry ny fitiavan-tena mandifotr’olona fa ilaina ny fampihavanana sy ny fitoniana raha tiana ny hampandroso ny fiainan’ny isam-pianakaviana, isam-paritra sy hampandroso ny firenena.Ny mampanahy fotsiny amin’ity resaka ity dia hita mibaribary loatra fa sahirana mitantana ny firenena ireo milaza azy fa voafidim-bahoaka,tsy fantatra intsony izay tena ao an-tsain’ireo mpitondra sy ny hoe :iza moa izao no manohana ny fitondrana eto ary iza no manohitra e ?Re ombieniombieny ihany koa fa misy ny mpitondra ambony na fianakaviana manampahefana manao afera maizina ary efa tena mangoron-karena mihitsy.Moa ve hivoaka ihany ny tena marina amin’izy ireny sa ho takotakonana amin’ny resaka fampihavanam-pirenena ny resaka…Tsy maintsy misy ihany mantsy ny hanao ho fitaovana io fampihavanana io ka anjaran’ireo mpikarakara no mikaroka ny hevitra rehetra hampilamina fa tena tsy kely lalana ny ratsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT