Samy mikendry ny ho lany avokoa ny kandidà roa hifanadrina amin`ny fihodinana faharoa ny 19 desambra ho avy izao ary hibahan-toerana ny serasera, indrindra amin`izao fotoanan`ny fampielezan-kevitra izao.
Manamafy hatrany ny sekretera jeneralin`ny minisiteran`ny serasera, Guy Laurent Ramanankamonjy, mba samy hanara-dalàna ireo mpifanandrina roa ireo ary hanaja ny lalàna mifehy ny fifidianana. Maro ireo lalàna indraindray adino, toy ny fihantsiana, fanalam-baraka ka tsara mba samy mitandrina ny an-daniny sy ny an-kilany. Nohamafisiny fa misy ny sazy milatsaka amin`ny tsy fitandremana ny lalàm-pifidianana. Ho an`ireo mpikirakira serasera ihany koa dia misy lalàna mifehy ny serasera ary misy fetrany ny zava-drehetra. Manana andraikitra lehibe ny minisiteran`ny serasera amin`ny fiatrehana fifidianana satria nankinin`ny CENI aminy ny fizarana sy fandrindrana ny “temps d`antenne” mba hitovy lenta ireo kandidà, hoy hatrany ny sekretera jeneralin`ny minisiteran`ny serasera.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.