Politique

Tsy fitandremana ny lalàm-pifidianana Tena mahavoasazy


  • Zoma 07 Desambra 2018

Samy mikendry ny ho lany avokoa ny kandidà roa hifanadrina amin`ny fihodinana faharoa ny 19 desambra ho avy izao ary hibahan-toerana ny serasera, indrindra amin`izao fotoanan`ny fampielezan-kevitra izao.

 

 

 

 Manamafy hatrany ny sekretera jeneralin`ny minisiteran`ny serasera, Guy Laurent Ramanankamonjy, mba samy hanara-dalàna ireo mpifanandrina roa ireo ary hanaja ny lalàna mifehy ny fifidianana. Maro ireo lalàna indraindray adino, toy ny fihantsiana, fanalam-baraka ka tsara mba samy mitandrina ny an-daniny sy ny an-kilany. Nohamafisiny fa misy ny sazy milatsaka amin`ny tsy fitandremana ny lalàm-pifidianana. Ho an`ireo mpikirakira serasera ihany koa dia misy lalàna mifehy ny serasera ary misy fetrany ny zava-drehetra. Manana andraikitra lehibe ny minisiteran`ny serasera amin`ny fiatrehana fifidianana satria nankinin`ny CENI aminy ny fizarana sy fandrindrana ny “temps d`antenne” mba hitovy lenta ireo kandidà, hoy hatrany ny sekretera jeneralin`ny minisiteran`ny serasera. Ankoatra ireo adihevitra politika mivantana isaky ny alahady mandritra ny fotoanan`ny fampielezan-kevitra ataon`ireo kandidà roa hiatrika ny fihodinana faharoa amin`ny fifidianana filoham-pirenena eny amin`ny TVM sy RNM dia hisy ihany koa ny adihevitra mivantana ataon`ny mpomba azy ireo mandritra ny 45 minitra isaky  ny alarobia sy zoma eny amin`ny fahitalavitra sy onjam-peom-pirenena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT