Politique

Tsy fiandanian’ny governemanta Hendry ny TIM, tsy tan-dalàna ny MAPAR


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Raran’ny lalàna tsy afaka manao fampielezan-kevitra ny olom-panjakana ambony voatendry tamin’ny alalan’ny didim-panjakana, tahaka ny minisitra sy tompon’andraiki-panjakana ambony samihafa.

 

 

Araka ny voalazan’ny andininy faha-39 ao amin’ny lalàmpanorenana dia iantohan’ny fanjakana ny tsy fiandaniana ara-politikan’ny mpitantan-draharaham-panjakana, ny tafika, ny fitsarana, ny fampianarana,... Manaja izany ary manaja tena ny minisitra avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, ary tsy dia mba hahenoana kiana sy tsikera izany. Hatry ny ela no tsikaritra ny minisitra MAPAR sasany tena mampiasa ny fahefany sy ny andraikiny amin’ny tombontsoa politika hampandaniana an-dRajoelina. Ny minisiteran’ny mponina, ohatra, dia nisy foana ny asa sosialy, toy ny tetikasa vatsin’ankohonana, fanampiana ny fikambanana samihafa toy ny fikambanam-behivavy izay nizarana milina fanjairana. Toa misy ihany ny asa sosialy mitovitovy amin’izany ataon’ny minisitry ny mponina ankehitriny Naharimamy Irma, saingy tsikaritra ho navadika ho amin’ny anaran’ny MAPAR sy Andry Rajoelina na ny fikambanana mpanohana azy ireo. Volany manokana sa volam-panjakana no hanaovana an’ireny ? Ny minisitry ny jono sy ny harena anaty rano Augustin Andriamananoro moa dia miaraka amin-dRajoelina tsotra izao anaty propagandy na hetsika mifandraika amin’izany, toy ny tany Soamahamanina. Tany Fandriana sy Ambositra, dia fiaram-panjakana misy takelaka mena mihitsy no noravahana sarina kandida, ka minisitra vehivavy iray teo aloha sy Lehibena fari-piadidiam-pampianarana no tratra niaraka tamin’izany, raha ny fampitam-baovao. Ny praiminisitra izay lohany amin’ny fampanajana lalàna miaraka amin’ny minisitry ny atitany anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny fifidianana aza moa dia ireny niaraha-nahita ireny ny fanehoan-kevitr’Atoa Serge Zafimahova fa manao tsindry amin’ireo mpiasam-panjakana ambony toy ny lehiben’ny distrika hampandresy an’i Andry Rajoelina. Toa efa misy kandidam-panjakana izany eto, saingy ireny toe-javatra ireny no vao mainka mampiakatra ny hambompon’ny olona hifidy an’i Marc Ravalomanana. Olona tsy tan-dalàna sy mpanao bodongerona ve no homena fahefana ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT