Politique

Tsy fandriampahalemana Ny Fanjakana no mitahiry jiolahy


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Manezaka mafy amin’ny hetsika “Fahalemana” ny fitondrana HVM mba hamerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy.

 Misy ny maty, tsy vitsy fa amam-polony. Samy lavo na miaramila na dahalo. Misy ny maratra, ao ny dahalo azo sambo-belona, maro ny omby tafaverina amin’ny tompony, fa mbola misy ny tsy hita popoka. Ny mahagaga anefa raha heverina hampitony ny asan-jiolahy sy ny fanafihana mitam-basy ny hetsika “Fahalemana” dia toa mifanipaka amin’izay ny zava-misy, hany ka maro no alaim-panahy hilaza fa ny fanjakana ihany no mitahy jiolahy. Toa manamarina izany ny tranga niseho tato ho ato. Tany Vavatenina, ny miaramila indray no midaroka ankitsirano sy mandratra sivily, nefa dia miriaria any. Any Sambava, misy zandary natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany voatonontonona amina fanafihana mitam-basy nisesy tao an-tampon-tanàna nefa toa jerem-potsiny. Eto Antananarivo, polisy be galona no atidohan’ny fakana an-keriny. Ny trafikana hazo sy vato sarobidy tsy resahina intsony. ampahany ihany ireo, amin’ny tranga maro miseho, izay mampihena ny fitokisan’ny Vahoaka ny mpitandro ny filaminana. Indrisy !


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT