Amin`izao ankatoky ny fifidianana izao, tsara ny manamarika fa zo sy adidy ny mifidy. Amin`ny maha zo azy, ny olona voasazy ihany no tsy mahazo mifidy na olona izay heverina fa tsy manana fahefana ara-tsaina hanao an`izay.
Amin`ny maha olom-pirenena feno no hanomezana izay zo izay ka afaka mifidy malalaka tsara ny olona. Adidy ihany koa satria ny fifidianana filoham-pirenena no anisan`ny fifidianana goavana indrindra ao anatin`ny rafitra demokratika. Antony: ao anatin`ny dimy taona ny filoham-pirenena no hitantana ny firenena. Ao anatin`ny dimy taona ihany koa no tokony hanatanteraka ny programan`asany izay tena antony hifidianana azy. Kandidà 36 no hirotsaka amin`ity fifidianana ity noho izany maro ny safidy. Mety hiteraka fahavoazana goavana ihany kosa ho an`izay olona tsy hifidy sy tsy hanatanteraka ilay adidy satria ao anatin`ny dimy taona isika no hiaina ilay vinan`ilay olona nofidian`ny hafa satria ianao tsy nifidy. Tokony hatao ny safidy ary tanterahina ny adidy nomen`ny lalàmpanorenena. Ny CENI dia miezaka hatrany hanentana ny rehetra mba hanatrarana ny tahan`ny mpifidy ho 70% amin`ity fifidianana 2018 ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.