Politique

Tsy fanajana ny satan’ny kandida Tsy misy sazy , hoy ny CFM


  • Talata 25 Septambra 2018

Natao hameno ny lalàna fotsiny ihany, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy, Maka Alphonse,

 

 

ilay sata ho an’ny fifampitondran-tenan’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 36 mianadahy. Efa natonina nakana hevitra mikasika izany moa ireto kandida ireto, raha ny nambarany, ary tsy nahitana olana. Tsy misy famaizana ho an’izay tsy manaja azy ity anefa fa resaka moraly sy etika ilay izy. Raha olom-panjakana marina dia tokony hanaja izany. Ohatra amin’ny fifanekena ao anatin’izay sata izay, ohatra, ny hoe tsy hanao teny mandratra na fiantsiana amin’ny fampihelezan-kevitra ary hanaiky valim-pifidianana. Mba hanatona manampahefana ihany koa fa tsy hidina an-dalambe rehefa tsy afa-po. Ampahafantarina koa ny loharanom-bola.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT