Tsy maintsy ravana ao anatin’ny 7 andro nanomboka ny zoma takariva teo ny governemanta, araka ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC.
Governemanta mahavita azy ary manana ny fahefana rehetra fa tsy halokalofan-dRajaonarimampianina no tokony hatsangana eo, ka ny tolona tsy maintsy mitohy, hoy ny eny amin’ny 13 mey. Ny depiote ho an’ny fanovana no manan-jo tanteraka amin’ity lalàna ity hanendry izay praiminisitra fa tsy ianao intsony, ary olona mendrika ny fanovana no tokony hapetraka eo, fa tsy olona tendritendrena fotsiny, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Raha ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-54 dia ny vondrona maro an’isa ao amin’ny antenimiera nanomboka tany amin’ny firotsahan-kofidiana no manolotra ny praiminisitra, izany hoe tsy manan-kery ny maro anisan’ny HVM izay tsy nanana depiote na iray monja aza. Tsy nahafa-po ary tsy nahafaly ny didin’ny HCC, hoy izy. Raha zohiana ny resaka fahalaniana tamin’ny fifidianana, dia ireo 73 no maro an’isa, ary ny isan’ireo mitambatra dia manome ny maro an’isa, ka arakaraka ny isan’ireo ny fitsinjaran’ny toerana, hoy ny mpahay lalàna iray. Mety misy ampahany kely hahafahantsika manao zavatra sy manova ny fitantanana ny raharaham-panjakana fa amin’ny ankapobeny tsy namaly ny fitakiantsika teto amin’ny 13 mey iny didy iny. Ny zavatra nagatahantsika teny amin’ny HCC dia nazava tsara hoe “Miala Rajao amin’ny alalan’ny “déchéance”, hoy hatrany ity depiote ity. Ny zavatra nangatahana tany amin’ny HCC dia nazava tsara satria tsy tafapetraka tao anatin’ny fe-potoana nolazain’ny lalàmpanorenana ny filoha, noho izany manan-jo ny olona rehetra hitory azy na hanala azy amin’ny fahefana. Ny HCC dia niteny hoe azo raisina ny fitoriana, izay midika fa nitombina ny paikapaika rehetra ara-teknika. Tsy nahita didy tahaka ity aho, hoy ny mpisolovava sady depiote Hanitra Razafimanantsoa. Tsy mety io raha ny governemanta sy ny CENI no hanomana ny fifidianana, ary efa nangatahantsika teto foana ny hanalana io CENI io, mila ovaina haingana io, ka tsy ekentsika io didy io, hoy izy. Mametra-panontaniana ny solombavambahoaka lany tao amin'ny boriborintany voalohany hoe : iza no anaovana fifanarahana politika ? Tsy hanao fifanarahana amin'ireo isika hoy izy, fa miala Rajao. Tsy ny olona nifofo ny aintsika, tsy ny namono ny namantsika tamin'ny 21 aprily no hanaovana fifanarahana, hoy izy. Mitohy ny tolona, tsy mijanona raha tsy vita hatramin'ny farany ny tolontsika, hoy hatrany ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Hanitra Razafimanantsoa. Nilaza moa ny depiote Tinoka Roberto, fa miboridana Rajao mianakavy satria nanapaka ny HCC fa foanana io governemantan-dahalo mpanao kolikoly io. Tsy mipetraka intsony ny fahefan-dRajaonarimampianina ka mametraha fialana amin’izay ialahy fa tsy misy ilàna an’ialahy intsony, hoy izy. Asakasakareo any amin’ny tafika mbola milela-paladia an’io olona io, fa izahay kosa dia ny vahoaka no lehibenay, hoy izy. Raha tsy miala eo handehanantsika any Iavoloha ve ? Raha izay no ilaina, ho tonga isika amin’ny angady sy ny harona, hoy ity depiote ity. Mitohy ny tolona !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.