Politique

Tsimbazaza sy Mahazoarivo Hiady noho ny raharaha boaderôzy ?


  • Alarobia 24 Jona 2015

Mampiaka-peo ny sampanasan’ny serasera eny anivon’ny lapan’ny praiminisitra eny Mahazoarivo manoloana ny fihetsiky ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena.

 
Efa ho telo  volana mantsy izao,  hoy ny  fanambarana avy eny Mahazoarivo no nilofosana amin’ny  fametrahana rafitra  matanjaka entina hiady amin’ny   trafika na boaderozy kanefa dia  raikitra eo anivon’ny  birao maharitra eny  anivon’ny  Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna naroson’ny   governemanta  hatramin’izao. Mahatsiaro  tafintohina amin’io fihetsiky ny birao  maharitry ny Antenimieram-pirenena io  ny mpiara-miasa akaiky amin’ny  praiminisitra. Tsy hatao indray ve ny ady amin’ny  kolikoly sy  fanondranana an-tsokosoko  ny harem-pirenena ?  Sa  misy   olona  atahorana ho very tombontsoa arovana mafy any ho any  ka tsy androsoana ity tolo-dalàna  momba ny ady amin’ny  kolikolin’ny boaderozy ataon’ny  governemanta ity ?

Ny fahafantarana ny praiminisitra Ravelonarivo Jean hatramin’izay  nahatongavany   tao Mahazoarivo  aloha dia  olona tsy  manao antemaka amin’ny asany izy  ka rariny  raha  manao  fanamarihana ny mpiara-miasa  aminy eny  Mahazoarivo.  Lasa  ihany  koa anefa ny  saina hoe  efa miha mihenjana ihany  koa ve izany  ny tady  eo amin’i Mahazoarivo sy Tsimbazaza ?  Noho ny resaka “Pacte de responsabilité ve sa   zavatra hafa ? Zary lasa  toerana  hifandrombahana indray mantsy izao ny sezan’ny praiminisitra ka  samy  malina  ny  rehetra.Nanambara moa omaly ny filohan’ny antenimieram-pirenena fa mety noho ny antony ara-teknika no nampihemorana ny fandinihana ilay volavolan-dalàna momba ilay « chaîne  spéciale iadiana amin’ny fanondranana an-tsokosoko andramena sy/na bois d’ébène».


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT