Politique

Tsimbazaza Niala tsiny tamin'ny filoha ireo depiote nanongana


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Niova fo ! Maro tamin’ireo solombavambahoaka nanao sonia ilay fanonganana ny filohan'ny Repoblika tamin’ny asany no fantatra ny harivan'ny sabotsy teo fa naneho fialan-tsiny tamin’iny disadisa iny

 

. Pejy vaovao no hiainana manomboka eo, ka ny tanjona dia hisian'ny marimaritra iraisana hijerena miaraka izay hampandrosoana an’i Madagasikatra. Raha ny loharanom-baovao avy ao an-dapa dia tsy nitana alahelo tamin’ireo izay saika hanongana azy ny filoha, satria nametraka ny tenany ho tena raiamandreny izy. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia handray tsy ho ela ireo solombavambahoaka nangataka fihaonana aminy ny filoha. Niravona hatreo ve izany ity disadisa ity, ka hijery miaraka ny ho fanatanterahana ilay “pacte de responsablité” araka ny nambaran’ny HCC ny an-daniny sy ny an-kilany  mandritra izay fihaonana izay ? Ho hita eo, fa mirona any amin’izany fifanatonana izany ny resaka taorian’iny didy navoakan’ny HCC ny alin'ny zoma lasa teo iny.

 

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT