Ho sasatry ny miarina ny fitondran'i Hery Rajaonarimampianina. Tsy mivalona akory ny fangatahana famerezan-jo «requęte en déchéance» ny filohan'ny Repoblika, napetraky ny solombavambahoaka eny anivon'ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana dia re izao fa miala any indray koa ny fitsipaham-pitokisana «motion de censure» ny praiminisitra Ravelonarivo Jean sy ny governemanta tarihiny.
Mivadibadika palitao
Resaka fotoana sisa, ary mety tsy hiandry ny famoahan'ny HCC ny didy mikasika ny «requête en déchéance» raha ny feo mandeha. Nilaza ny mety hisian'io ny mpahay lalàna Paul Pody nandritra ny fandaharana adihevitra «Don-dresaka» tao amin'ny fahitalavitra TV Plus halina. Hiverina ny fivoriana eny Tsimbazaza manomboka anio ka ho fantatra miandalana eo ny fivoarany. Fa anisan'ny mbola mitana ny sain'ny maro ilay «requête en déchéance» nataon'ny depiote. Io rahateo no fototry ny adihevitra nandritra ny fandaharana halina, nifampitanan'ny minisitry ny asam-panjakana Maharante Jean de Dieu sy ny depiote Harijaona Randriarimalala «John Elite» manohitra ny fanonganana ny filohan'ny Repoblika an-daniny ary an-kilany kosa i Paul Pody (MAPAR) sady mpahay lalàna sy Patrick Raharimanana filohan'ny antoko «Vitatsika io». Novantanin'ity farany fa anisan'ny fototr'izao olana izao ny mpanao politika tsy marin-toerana fa mivadibadika palitao, mavandy sy mamitaka ny vahoaka nifidy azy. Dia io no vokany hoy izy, depiote 4 sisa no manohana ny fitondrana HVM ao Tsimbazaza, 21 no sahy miseho amin'ny haino amanjerim-panjakana. Tsy resaka lalàna intsony izao no adihevitra, hoy ny filohan'ny «Vitatsika io» fa ny hoe : ahoana no hitantanana ny firenena amin'izao toe-javatra izao ? Nahitsy ny teniny, fa ny fametraham-pialan'ny filohan'ny Repoblika no fanafodiny. Sarotra ny hitondran'ny filoha ny firenena, nefa izy tsy manana maro an'isa akory eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, hoy hatrany i Patrick Raharimanana. Nohamafisin'i Paul Pody ny nambaran'ity farany, fa ny fametraham-pialan'ny filohan'ny Repoblika no vahaolana. Tsy ankitsitsy. Don-dresaka rahateo ny fandaharana ka tsy nahagaga raha nandrahona sy nilaza ny hivoaka ny efitrano hatrany no nasesik'i Maharante Jean de Dieu fa diso fanantenana amin'ny fandehan'ny adihevitra hono izy, ny namany «Jaona Elite» tetsy an-kilany zara raha niteny. Rakotry ny tsikera tamin'ny tambajotran-tserasera «facebook» izy roalahy mpanohana ny fanjakana ireto nanoloana izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.