Ahitan-javatra mihitsy eny Tsimbazaza, nifanebaka imason’ny vahiny ireo solombavambahoaka roa dia ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka izay nikilasy ny depiote Naivo Raholdina avy amin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo ho tsy nanaja ny fitsipika mifehy ny Antenimiera amin’ny fanaovana akanjo mihaja rehefa mandray fitenenana ary mametra karavato mihitsy aza.
Tsy misy an’izany lalàna izany ato, hoy ny voateny, fa fiangavian’ny filohan’ny Antenimiera fotsiny izany. Tonga hatrany amin’ny fitenenan’ny depiote Raholdina moa ny resaka fa izy dia “Styliste” maharaka tsara ny haingo misy. Ny nahavariana dia nifampihantsy tety ivelan’ny trano efa nifanambana totohondry mihitsy ireo depiote mirahalahy ireto ary narahina mpiandry maro ny iray tamin’izy ireo tamin’izany. Mbola tantara mitohy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.