Miteraka disadisa goavana eo amin’ny mpanohana ny kandida laharana faha-25 sy ny faha-13 hatreto ny fitadiavana ny tena fahamarinana mahakasika iny fifidianana filoham-pirenena notanterahina nanomboka ny volana novambra taona 2018 lasa teo iny.
Tonga hatrany amin’ny fitolomana hiadiana amin’ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey mihitsy izany ka nisian’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso sy ny fisamborana olona nataon’ny mpitandro ny filaminana ny faran’ny herinandro teo. Olona tokana ihany anefa hatreto no tena mahalala ny tsiambaratelon’iny fifidianana notanterahina farany teo iny dia ny talen’ny tranomprintim-pirenena Atoa Andriamboavonjy Angelson. Tao avokoa mantsy no natonta ny 90 %-n’ireo taratasy vita printy nampiasaina tamin’iny fifidianana fihodinana voalohany sy ny faharoa iny. Anisan’ireny ny kara-pifidianana sy ny isan’ireo olona voasoratra anarana isaky ny fokontany tokony hahazo. Tao koa ny kara-panondrom-pirenena. Fantany avokoa ny kipitsony sy ny tsiambaratelo tena fonosiny ka izy ihany no hany lalan-tokana ahitana ny tena marina. Efa nisy ihany ny fanazavana nentiny mikasika ireo kara-panondro natonta tao aminy talohan’ny fifidianana saingy mbola betsaka ireo tsiambaratelo tsara ho fantatra ananany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.