Politique

Tsiafahy-Tsarafaritra Nohajarian’ny Arema nambolen-kazo indray ny taniny


  • Alatsinainy 02 Febroary 2015

Nanentana ny mpikambana Arema manerana ny Nosy ny sekretera nasionaly lefitry ny antoko Arema, Ange Andrianarisoa, mba handray anjara amin’ny fampihavanam-pirenena any amin’ny Faritra ary handray ny toromarika rehetra homena koa, satria tojo amin’ny tanjona niriany hatrany ampita ka hatreto an-toerana ny amiraly Didier Ratsiraka amin’izao fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena izao

 

. Teny amin’ny hetsika fambolen-kazo nataon’ity antoko ity teny amin’ny taniny efa azony hatramin’ny taona 1976  ka niverenana nohajariana indray no nanatanterahana izany ary tafiditra amin’ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan-dRtoa Céline Ratsiraka ihany koa ka natolotra azy ho “Cadeau d’anniversaire”  ireo hazo ravintsara 2 000 fototra novolena  teny an-toerana,  sady fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2015 rahateo. Marihina fa tafiditra anatin’ny hetsika ID 21 sy fanajariana ny tontolo iainana efa nofaritan’ny filoha Ratsiraka tamin’ny fotoanandrony ity fambolen-kazo ity. Tonga nanatanteraka izany ny vehivavy sy tanora Arema, ny lehilahy ary ireo mpampianatra Akanin-Jaza avy eto Analamanga. Tonga nanome voninahitra ny hetsika koa ireo “Comité directeur” manerana ny Nosy. Ny sekretera nasionaly lefitra efa voalaza teo,  ny ben’ny tanànan’ny kaominin’i Tsiafahy, ny sekretera Jeneralin’ny Akanin-jaza Arema, Annick Ratsiraka sy ny rahavaviny Sophie Ratsiraka izay mandalo eto an-tanindrazana. Marihina fa am-pitiavana no nahatongavan’ireo izay tonga namboly hazo teny Tsarafaritra fa tsy nisy fiara fitaterana nikambanana sady tsy nisy sakafo niombonana ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT