Nanambara ny fahadisoam-panantenany ny amin’ny tsy fahalavorarian’ny lalàm-pifidianana mahakasika ny fangaraharan’ny vola ampiasain’ny kandida ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM) tetsy amin’ny foibeny Ambaranjana omaly zoma 12 oktobra.
Manoloana izany indrindra, ary amin’ny maha fiaraha-monim-pirenena manindraindra ny fangaraharahana azy ireo, dia nampahafantatra ny fisian’ny antontan-kevitra manadihady ny loharanom-bolan’ny kandida 36 mandritra ny fifidianana izy ireo manomboka anio. Zon’ny vahoaka ny mahafantatra izany, hoy izy ireo ary tena ilaina ny mahalala ny antsipiriany ny amin’ny tetibola sy ny loharanon’izany. Anisan’ny hita ao amin’io taratasy fenoin’ny kandida io ohatra ny hoe avy aiza no nahitany famatsiam-bola hanaovana fifidianana : nindram-bola tamin’ny banky ve sa nivarotra lova sa nanana tahirim-bola sy ny hafa. Rehefa fenon’ny kandida ny fanontaniana rehetra apetraka ao anatin’ity taratasy ity dia aseho amin’ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera. Manantena ny fahendren’ny kandida izy ireo ny amin’ny famaliana an-kitsim-po ireo fanontaniana ireo satria izany fangaraharana ara-bola izany dia efa taratra sahady ny fanjakana tsara tantana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.